Fepetry ny Serivisy

  • Ny Fepetry ny Serivisy
    Ambangovangony
    1. Ireo serivisy atolotray
    2. Ahoana no amatsiana vola ireo serivisinay
    3. Ny fanomezan-tokinao ho an’ny Facebook sy ny fiombonambenay
    4. Fepetra voalaza fanampiny
    5. Fepetra sy politika hafa mety hihatra aminao

Fepetry ny Serivisy

Ambangovangony
Manan-kery 1 Janoary 2025 | Mijery kinova azo atao pirinty
I Meta dia manamboatra teknolojia sy serivisy izay ahafahan’ny olona mifandray sy mamorona fiombonambe ary mampiroborobo fihariana. Ireto Fepetry ny Serivisy ireto (ireo “Fepetra”) dia mifehy ny fisitrahanao sy ny fampiasanao Facebook, Messenger ary ny vokatra, tranonkala, fiasa, app, serivisy, teknolojia ary rindrambaiko atolotray (ireo Vokatra Meta na ireo Vokatra), raha tsy hoe rehefa manambara mazava izahay fa fepetra misaraka hafa (fa tsy ireto) no mihatra. (Ohatra, iharan’ny Fepetra Fampiasana Instagram ny fampiasanao Instagram). Atolotr’i Meta Platforms, Inc. anao ireto Vokatra ireto. Ireto Fepetra ireto noho izany dia midika ho fifanekena iray eo aminao sy i Meta Platforms, Inc. Raha tsy manaiky ireto Fepetra ireto ianao, dia aza misitraka na mampiasa Facebook na ireo vokatra sy serivisy hafa rakofan’ireto Fepetra ireto.
Ireto Fepetra ireto (fantatra teo aloha tamin’ny anarana hoe Fanambarana Zo sy Andraikitra) no mandrafitra ny fifanekena iray manontolo eo aminao sy Meta Platforms, Inc. mahakasika ny fampiasanao ireo Vokatray. Misongona ny fifanekena teo aloha tsy ankanavaka izy ireto.
Tsy angalanay sarany ianao amin’ny fampiasana Facebook na ireo vokatra sy serivisy hafa voarakotr’ireto Fepetra ireto, raha tsy hoe manambara zavatra hafa angaha izahay. Ny zavamisy kosa dia hoe mandoa vola aminay ny fihariana sy fikambanana ary olon-kafa mba hampisehoanay doka ho anao momba ny vokatra sy serivisin’izy ireo. Raha mampiasa ireo Vokatray ianao dia manaiky fa azonay atao ny mampiseho anao doka izay eritreretinay hoe sahaza anao sy ny zava-mahaliana anao. Mampiasa ny angondrakitrao manokana izahay mba hifidianana hoe inona ny doka voatokana hampisehoana anao.
Tsy mivarotra ny angondrakitrao manokana amin’ny mpanao doka izahay, ary tsy mizara fampahalalana hahafantarana anao mivantana (ohatra hoe ny anaranao, ny adiresy mailakao na fomba fifandraisanao hafa) amin’ny mpanao doka raha tsy hoe manome fahazoandalana manokana anay angaha ianao. Kanefa tsy izay fa ireo mpanao doka dia afaka miteny zavatra aminay ohatra hoe karazana mpahita toy ny ahoana no tian’izy ireo hahita ny dokan’izy ireo, ary mampiseho ireny doka ireny amin’ireo olona mety ho liana izahay. Omenay tatitra momba ny fahombiazan’ny dokany ny mpanao doka mba hanampiana azy ireo hahazo hoe ahoana no fifanaovan’ny olona amin’ny votoatin’izy ireo. Jereo ny Fizarana 2 eo ambany mba hamantarana bebe kokoa hoe ahoana no fiasan’ny fanaovana doka voatokana araka ireo fepetra ireo amin’ireo Vokatra Meta.
Ny Politika Fitanan-tsiambaratelonay dia manazava hoe ahoana no fanangonana sy fampiasana ny angondrakitrao manokana hamaritana ny sasany amin’ireo doka hitanao sy hanomezana ireo serivisy hafa rehetra hafa voasoritsoritra eo ambany. Afaka mandeha ao amin’ireo pejinao tefy amin’ilay Vokatra Meta amin’ny fotoana tsy ankanavaka ihany koa ianao mba handinihana ireo safidy fitanan-tsiambaratelo anananao momba ny fampiasanay ny angondrakitrao.
Vokatra inona avy no rakofan’ireto Fepetra ireto?
1. Ireo serivisy atolotray
Ny iraka sahaninay dia ny hanome ny olona fahefana hamorona fiombonambe sy hampifanakaiky kokoa izao tontolo izao. Mba hanatontosana ity iraka ity, dia manolotra ireo Vokatra sy ireo serivisy soritsoritina aminao eo ambany izahay:
1.1 Manolotra traikefa voatokana ho anao:
Tsy mitovy amin’ny an’ny hafa mihitsy ny traikefanao amin’ny Facebook: manomboka amin’ireo petadrindrina, story, hetsika, doka, ary votoaty hafa hitanao amin’ny Ako Facebook na vovonana horonantsarinay ka hatramin’ireo Pejy Facebook arahinao na fiasa hafa mety ampiasainao, toy ny Facebook Marketplace, sy fikarohana. Ohatra amin’izany, mampiasa ny angondrakitrao momba ny fifandraisana ataonao, ny safidy sy tefy fanteninao, ary ny zavatra zarainao sy ataonao ao amin’ny Vokatray izahay mba hanomezana traikefa voatokana ho anao.
1.2 Mampifandray anao amin’ny olona sy amin’ireo fikambanana raharahainao:
Manampy anao hahita sy hifandray amin’ireo olona, vondrona, fihariana, fikambanana ary ny hafa izay manan-danja aminao eran’ireo Vokatra Meta ampiasainao izahay. Mampiasa angondrakitra izahay mba hanomezana sosokevitra ho anao sy ny hafa, ohatra hoe vondrona hidirana, hetsika hatrehina, Pejy Facebook harahina na handefasana hafatra, fampisehoana hojerena ary olona mety ho tianao ho lasa namanao. Mahatonga ny fiombonambe ho tsara kokoa ny fifandraisana akaiky kokoa, ary mino izahay fa tena ilaina ny serivisinay rehefa mifandray amin’ireo olona, vondrona ary fikambanana mahaliana azy ireo ny olona.
1.3 Manome fahefana anao haneho ny mahaianao anao sy hifanerasera momba ny zavatra manan-danja aminao:
Betsaka ny fomba hanehoanao ny mahaianao anao amin’ny Facebook sy hifaneraserana amin’ny namana, fianakaviana na olon-kafa momba ny zavatra misy lanjany aminao, ohatra hoe mizara fanavaozana sata, sary, horonantsary ary story eran’ireo Vokatra Meta (mifanaraka amin’ny tefinao), mandefa hafatra na fanaovana antso feo na antso horonantsary amin’ny namana iray na olona maromaro, mamorona hetsika na vondrona, na manampy votoaty amin’ny mombamombanao, ary koa ny mampiseho ny fahitanao ny fomba fifanaovan’ny olona hafa amin’ny votoatinao. Namolavola ary manohy mizaha fomba vaovao hampiasan’ny olona teknolojia ihany koa izahay, toy ny zavamisy ampitomboina sy horonantsary 360 mba hamoronana sy hizarana votoaty maneho bebe kokoa sy be mpiroboka kokoa amin’ireo Vokatra Meta.
1.4 Manampy anao hahita votoaty, vokatra ary serivisy mety hahaliana anao:
Izahay dia mampiseho anao doka voatokana, tolotra ary votoaty misy mpiantoka na ara-barotra mba hanampiana anao hahita votoaty, vokatra, na fampahalalana atolotr’ireo fihariana sy fikambanana maro mampiasa Facebook na Vokatra Meta hafa. Manazava antsipiriany kokoa izany ny Fizarana 2 eto ambany.
1.5 Manandratra ny fiarovana sy fahalemana ary fahamarinan’ny serivisinay, miady amin’ny fitondrantena manimba ary miaro hatrany ny fiombonamben’ny mpampiasanay:
Tsy hanorina fiombonambe amin’ireo Vokatra Meta ny olona raha tsy hoe mahatsapa voaaro sy mandry fahalemana izy ireo. Miasa mafy izahay mba hitandroana ny fahaleman’ireo (anisan’izany ny fisiana, ny maha to, ny maha iray tsy mivaky ary ny fitanan-tsiambaratelo) Vokatray sy Serivisinay. Mampiasa ekipa miasa mafy izahay eran-tany, miara-miasa amin’ny mpamatsy serivisy ivelany sy ny mpiara-miombon’antoka ary ny endri-pisiana misy idirany hafa, ary mamolavola rafitra ara-tekinika avo lenta mba hahitana izay mety ho fampiasana vilana ireo Vokatray, fitondrantena mampidi-doza manoloana ny hafa, ary toe-javatra mety ahafahanay manohana sy miaro ny fiombonambenay, anisan’izany ny famaliana ny tatitry ny mpampiasa momba izay mety ho votoaty mandika fenitra. Raha mahafantatra momba ny votoaty na fitondrantena ohatra izany izahay, dia handray ny fepetra mendrika amin’izany miorina amin’ny fanombanana ataonay izay mety hahatafiditra ny hoe: mampilaza anao, manome fanampiana anao, manala votoaty, manala na mametra ny fisitrahana ny fiasa sasany, mamono kaonty, na mifandray amin’ny mpitandro filaminana. Mizara angondrakitra manerana ireo Orinasa Meta izahay rehefa mahatsikaritra fampiasana vilana na fitondrantena mampidi-dozan’ny olona iray mampiasa ny iray amin’ireo Vokatray na mba hiarovana hatrany ireo Vokatra Meta, mpampiasa, ary ny fiombonambe. Ohatra, izahay dia mizara fampahalalana amin’ireo Orinasa Meta izay mamatsy vokatra sy serivisy ara-bola mba hanampiana azy ireo hampiroborobo ny aroloza sy ny fahalemana ary ny maha iray tsy mivaky, sy hanoavana lalàna manan-kery. Meta dia mety hisitraka, hitazona, hampiasa ary hizara fampahalalana tsy ankanavaka angoniny momba anao amin’ny fo madio raha heveriny fa takin’ny na avelan’ny lalàna ny manao izany. Raha mila fampahalalana bebe kokoa, dia diniho azafady ny Politika Fitanan-tsiambaratelonay.
Amin’ny tranga sasany, ny Filankevitry ny Andrimaso dia mety handinika ny fanapahan-kevitray, mifanaraka amin’ny fepetrany sy ny satany. Mamantatra bebe kokoa ato.
1.6 Mampiasa sy mamolavola teknolojia avo lenta mba hanomezana serivisy azo antoka sy miasa tsara ho an’ny olon-drehetra:
Mampiasa sy mamolavola teknolojia avo lenta izahay, ohatra hoe hatsilo artifisialy, rafitra fianara-masinina ary zavamisy ampitomboina, amin’izay ny olona ho voaro rehefa mampiasa ireo Vokatray, na manana hasembanana izy na tsia ary na aiza na aiza misy azy. Ohatra amin’izany, ny teknolojia toy ity dia manampy ny olona manana fahasahiranana ara-pahitana hahazo hoe inona na iza no eo amin’ny sary na video zaraina amin’ny Facebook sy Instagram. Manorina teknolojia tambajotra sy serasera be pitsony koa izahay mba hanampiana olona bebe kokoa hampiasa aterineto any amin’ny toerana voafetra ny fisitrahana azy. Mamolavola rafitra mandeha ho azy koa izahay mba hanatsarana ny fahaizanay mahatsikaritra sy manala fihetsika manararaotra ny hafa sy mampidi-doza, izay mety hitondra fahavoazana ho an’ny fiombonambenay na ny fahamarinan’ireo Vokatray.
1.7 Mikaroka fomba hanatsarana ireo serivisinay:
Miroboka amin’ny fikarohana izahay mba hamolavolana, hitsapana ary hanatsarana ireo Vokatray. Tafiditra amin’izany ny famakafakana ny angondrakitra anananay momba ireo mpampiasanay sy ny fahatakarana hoe ahoana no fampiasan’ny olona ny Vokatray, ohatra hoe amin’ny alalan’ny fanaovana fitsapankevitra ary fitsapana na famahana ny olan’ny fiasa vaovao. Ny Politika Fitanan-tsiambaratelonay dia manazava hoe ahoana no fampiasanay angondrakitra hanohanana ity fikarohana ity mba hamolavolana sy hanatsarana ireo serivisinay.
1.8 Manome traikefa misosa tsara sy tsy miovaova manerana ireo Vokatr’ireo Orinasa Meta:
Manampy anao hahita sy hifandray amin’ireo olona, vondrona, fihariana, fikambanana sy ny hafa izay manan-danja aminao ireo Vokatray. Ny fomba hanamboaranay ny rafitray dia natao mba hahatonga ny traikefanao tsy hiovaova sy hisosa tsara manerana ireo Vokatr’ireo Orinasa Meta samihafa ampiasainao. Ohatra amin’izany, mampiasa ny angondrakitra momba ny olona hifaneraseranao amin’ny Facebook izahay mba ho mora kokoa aminao ny mifandray amin’izy ireo amin’ny Instagram na Messenger, ary mamela anao hifanerasera amin’ny fihariana iray arahinao amin’ny Facebook amin’ny alalan’ny Messenger izahay.
1.9 Manao azo antoka fa azo sitrahina ireo serivisinay:
Mba handrindrana ny serivisinay eran-tany sy hahatonga anao ho afaka hifandray amin’ny olona eran-tany, izahay dia mila mamindra, mitahiry ary mizara votoaty sy angondrakitra amin’ny ivon-angondrakitray, mpiray ombon’antoka, mpamatsy serivisy, mpivarotra ary rafitra eran-tany, tafiditra amin’izany ny ivelan’ny firenena misy anao. Ny fampiasana ity fotodrafitrasa eran-tany ity dia ilaina sy tsy azo ihodivirana mba hanolorana ireo serivisinay. Ity fotodrafitrasa ity dia mety ho fananan’i, ahodin’i na fehezin’i Meta Platforms, Inc., Meta Platforms Ireland Limited, na ireo rantsany.
2. Ahoana no amatsiana vola ireo serivisinay
Ho solon’ny fandoavam-bola mba hahafahana mampiasa Facebook sy ny vokatra ary serivisy hafa atolotray, amin’ny fampiasana ireo Vokatra Meta voarakotr’ireto Fepetra ireo, ianao dia manaiky fa azonay atao ny mampiseho anao doka voatokana sy votoaty ara-barotra sy misy mpiantoka izay anakaraman’ireo fihariana sy fikambanana anay mba hampiroboroboina amin’ireo Vokatr’ireo Orinasa Meta. Mampiasa ny angondrakitrao manokana izahay, anisan’izany ny fampahalalana momba ny fihetsikao sy ny zava-mahaliana anao, mba hampisehoana anao doka voatokana sy votoaty misy mpiantoka izay mety ho sahaza anao.
Ny fiarovana ny fitanan-tsiambaratelon’ny olona dia singa fototra nahatonga ny fomba namolavolanay ny rafitra doka voatokanay. Midika izany hoe afaka mampiseho anao doka sahaza anao sy ilainao izahay nefa tsy miteny amin’ny mpanao doka hoe iza ianao. Tsy mivarotra ny angondrakitrao manokana izahay. Manome lalana ny mpanao doka hilaza aminay izahay ohatra hoe inona ny tanjon’ny fihariany ary karazana mpahita ohatra ny ahoana no tiany hahita ny dokany (ohatra hoe olona eo anelanelan’ny 18 sy 35 taona tia mitaingina bisikileta). Avy eo izahay mampiseho ny dokan’izy ireo amin’ny olona heverinay fa mety ho liana.
Omenay tatitra momba ny fahombiazan’ny dokany koa ny mpanao doka mba hanampiana azy ireo hahazo hoe ahoana no fifanaovan’ny olona amin’ny votoatin’izy ireo amin’ireo Vokatra Meta. Ohatra, manome angondrakitra demografika ankapobeny sy fampahalalana momba ny fahalianana ireo mpanao doka izahay mba hanampiana azy ireo hahazo tsara kokoa ny mpahitan’izy ireo, ohatra hoe hitan’ny vehivavy eo anelanelan’ny 25 sy 34 taona monina ao Madrid sy tia injenierian’ny rindrambaiko ny doka iray. Izahay dia tsy mizara fampahalalana ahafantarana anao mivantana (fampahalalana toy ny anaranao na ny adiresy mailakao izay efa azo ampiasaina mba hifandraisana aminao na ahafantarana hoe iza ianao) raha tsy hoe manome lalana mazava tsara anay ianao. Fanazavana fanampiny momba ny fomba fiasan’ny doka Meta ato.
Manangona sy mampiasa ny angondrakitrao manokana izahay mba hanomezana anao ny serivisy voafaritra eo ambony. Afaka mahazo fanazavana momba ny fomba fanangonanay sy fampiasanay ny angondrakitrao ao amin’ny Politika Fitanan-tsiambaratelonay ianao. Ianao dia afaka mifehy ireo karazana doka sy mpanao doka hitanao sy ireo karazana fampahalalana ampiasainay hamaritana hoe doka inona avy no hasehonay anao. Fanazavana fanampiny .
3. Ny fanomezan-tokinao ho an’ny Facebook sy ny fiombonambenay
Manolotra ireo serivisy ireo anao sy ny hafa izahay mba hanatontosana ny irakay. Ho takalon’izany, dia ilainay ny hanaovanao ireto adidy manaraka ireto:
3.1 Iza no afaka mampiasa Facebook
Rehefa manohana ny heviny sy ny asany ny olona, dia voaro kokoa sy tompon’antoka kokoa ny fiombonambenay. Noho izany antony izany, ianao dia tsy maintsy:
  • Mampiasa ny anarana fampiasanao amin’ny fiainana andavanandro ho an’ny kaontinao.
  • Manome fampahalalana marina momba anao.
  • Mamorona kaonty iray ihany (ny anao) ary mampiasa azy ho an’ny tanjonao samirery.
  • Tsy tokony hizara ny tenimiafinao, hamela ny hafa hisitraka ny kaonty Facebooknao, na hamindra ny kaontinao amin’ny olon-kafa (raha tsy misy fanomezan-dalana avy aminay).
Miezaka izahay mba hahatonga ny Facebook ho azo sitrahan’ny olona rehetra, nefa tsy mahazo mampiasa Facebook ianao raha:
  • Latsaka ny 13 taona ianao.
  • Mpanao heloka ara-nofo nomelohina ianao.
  • Novonoinay ny kaontinao, teo taloha, satria nanitsakitsaka ny Fepetranay, ny Fenitry ny Fiombonambe, na fepetra sy politika hafa mihatra amin’ny fampiasanao ny Facebook. Raha toa izahay ka mamono ny kaontinao noho ny fandikana ny Fepetranay, ny Fenitry ny Fiombonambe, na fepetra sy politika hafa, dia manaiky tsy hamorona kaonty hafa tsy misy fahazoandalana avy aminay ianao. Ny fahazoana lalana hamorona kaonty vaovao dia omena miankina amin’ny fanapahankevitray irery ihany, ary tsy midika hoe diso na tsy misy antony ilay fanasaziana.
  • Rarana tsy handray ireo vokatray, ireo serivisinay na ireo rindrambaikonay ianao araka ny lalàna manan-kery.
3.2 Inona no azonao zaraina sy atao amin’ireo Vokatra Meta
Tianay ny olona hampiasa ireo Vokatra Meta mba hanehoany ny maha izy azy sy mba hizarany votoaty zava-dehibe amin’izy ireo, nefa tsy tokony hanimba ny fiarovana sy ny fiadanan’ny olon-kafa na ny maha-iray tsy anombinana ny fiombonambenay izany. Noho izany, ianao dia manaiky fa tsy hiroboka amin’ireto fihetsika voafaritra eto ambany ireto (na manamora na manohana ny fanaovan’ny hafa izany):
  1. Tsy azonao atao ny mampiasa ireo Vokatray hanaovana na hizarana zavatra:
    • Izay manitsakitsaka ireto Fepetra ireo, ny Fenitry ny Fiombonambe, na fepetra sy politika hafa mihatra amin’ny fampiasanao ireo vokatray.
    • Izay tsy ara-dalàna, mamitaka, manavakavaka na hosoka (na manampy olon-kafa amin’ny fampiasana ireo Vokatray amin’ny fomba toy izany).
    • Izay tsy fanananao na tsy anananao ny zo ilaina mba hizarana azy.
    • Izay tsy manaja na manitsakitsaka ireo zon’ny olon-kafa, anisan’izany ny zom-pananana ara-tsain’izy ireo (ohatra hoe tsy fanajana ny zon’ny mpamorona na mari-barotry ny olon-kafa, na fizarana na fivarotana entana hosoka na voapiraty), raha tsy hoe angaha misy zavatra maningana na fetra mihatra araka ny lalàna manan-kery.
  2. Tsy azonao atao ny mampiakatra viriosy na kaody mpisompatra, mampiasa ireo serivisy handefasana spam na manao zavatra hafa mety hamono, hiteraka tombom-besatra, hitsabaka amin’ny na hampihena ny fiasa ara-dalàna, ny maha iray tsy mivaky, ny asa aman-draharaha na ny endrik’ireo serivisinay sy rafitray, na Vokatray.
  3. Tsy azonao atao ny misitraka na manangona angondrakitra avy amin’ireo Vokatray amin’ny alalan’ny fomba mandeha ho azy (tsy nahazoana lalana mialoha avy aminay) na manandrana misitraka angondrakitra tsy anananao lalana hisitraka, afa-tsy raha toa ny fisitrahana na fanangonana mandeha ho azy toy izay ka atao rehefa tafiditra amin’ny kaonty Facebook iray.
  4. Tsy azonao atao ny misolo tena, mangataka, na manangona anara-mpampiasa na tenimiafina fidirana amin’ireo Vokatra, na mibodo token fisitrahana ireo Vokatra.
  5. Afa-tsy raha omena ao amin’ny Fepetry ny Vovonana, ianao dia tsy mahazo mivarotra, manome lisansy na mividy angondrakitra tsy ankanavaka azo avy aminay na avy amin’ireo serivisinay, tsy anavahana na azo tamin’ny ianao tafiditra tamin’ny kaonty Facebook iray ny angondrakitra toy izany na tsia.
  6. Tsy azonao atao ny mampiasa vilana ny fanaovan-tatitra, fiampangana, fitsipahana, na ny fomba fampakarandraharaha, toy ny fanaovana tatitra na fampakarandaharaha hosoka, miverimberina, na tsy misy antony.
  7. Tsy azonao atao ny manao, na manandrana manao, zavatra tsy ankanavaka hihodivirana, hidifiana na hihoarana ireo fepetra ara-teknolojia izay ampiasain’i Meta hifehezana na hamerana ny fisitrahana ireo Vokatray na angondrakitray.
Azonay atao ny manala na mametra ny fisitrahana ny votoaty manitsakitsaka ireto fepetra voalaza ireto. Azonay atao ihany koa ny mampihantona na mamono ny kaontinao noho ny fitondrantena izay mandika ireto epetra voalaza ireto, araka ny voalaza ao amin’ny Fizarana 4.2.
Raha manala votoaty nozarainao izahay satria manitsakitsaka ny Fenitry ny Fiombonambe ilay izy, dia hampahafantatra anao ary hanazava aminao ny safidy azonao atao izahay mba hangatahana fandinihana iray hafa, raha tsy hoe angaha imbetsaka na tamin’ny fomba lehibe ianao no nanitsakitsaka ireo Fepetra ireo na raha ny fanaovana izany mahatonga anay na ny hafa ho tompon’antoka araka ny lalàna; mahavoa ny fiombonamben’ny mpampiasanay; manimba ny na mitsabaka amin’ny maha iray tsy mivaky ny na asa aman-draharahan’ny iray amin’ireo serivisinay, rafitray na Vokatray; raha voafetra noho ny famerana ara-teknika izahay; na rarana tsy hanao izany noho ny antony araka ny lalàna izahay. Raha te hahazo fampahalalana momba ny fampihantonana na famonoana kaonty, dia jereo ny Fizarana 4.2 eo ambany.
Miara-miasa amin’ireo mpanamarina zavamisy mahaleotena ao amin’ny fahefam-pitsarana maro izahay mba hiadiana amin’ny fampahalalan-diso. Rehefa notombanan’ireo mpanamarina zava-misy ny votoaty, dia mety hanampy fampandrenesana iray izahay mba hanomezana sahankevita fanampiny. Afaka mahita fampahalalana bebe kokoa momba ny fanamarinana zavamisy ato ianao.
Mba hanohanana ny fiombonambenay, dia mandrisika anao izahay hitatitra votoaty na fihetsika heverinao hoe manitsakitsaka ny zonao (anisan’izany ny zom-pananana ara-tsaina) na ireo fepetra sy politikanay, raha misy any amin’ny fari-piadidianao io fiasa io. Azonay atao koa ny manala na mametra ny fisitrahana votoaty, fiasa, serivisy na fampahalalana raha heverinay fa ilaina ara-drariny ny fanaovana izany mba hisorohana na hanalefahana ny fampiasana vilana ny serivisinay na fiantraikany ratsy araka ny lalàna na fitsipika amin’i Meta.
3.3 Ireo fahazoandalana omenao anay
Mila fahazoandalana sasany avy aminao izahay mba hanolorana ireo serivisinay:
1. Ny votoatinao: Ny votoaty sasany zarainao na ampiakarinao, toy ireo sary na horonantsary, dia mety arovan’ny lalànan’ny fizakam-pananana ara-tsaina.
Ianao dia mihazona ny zo fizakam-pananana ara-tsaina (zavatra toy ny zon’ny mpamorona na mari-barotra) amin’ny votoaty toy izany izay foroninao sy zarainao amin’ny Facebook na amin’ireo Vokatr’ireo Orinasa Meta hafa ampiasainao. Tsy misy na inona na inona ato amin’ireto Fepetra ireto manala aminao ny zonao amin’ny votoatinao manokana. Manana fahafahana hizara ny votoatinao amin’ny olon-kafa n’iza n’iza, n’aiza n’aiza tianao ianao.
Mba hanolorana ireo serivisinay anefa, dia mila anao izahay mba hanome fahazoandalana ara-dalàna sasany (fantatra amin’ny anarana hoe “lisansy”) ho anay hampiasa izany votoaty izany. Izy io dia tsy ampiasaina afa-tsy ho an’ny tanjona hanomezana sy hanatsarana ireo Vokatray sy serivisinay araka ny voafaritra ao amin’ny Fizarana 1 eo ambony.
2. Fahazoandalana hampiasa votoaty foroninao sy zarainao: Raha faritana kokoa dia hoe rehefa mizara, mametaka, na mampiakatra votoaty ao anatin’ireo zom-pananana ara-tsaina ianao amin’ireo na mifandray amin’ireo Vokatray, dia manome anay lisansy tsy voatokana, azo afindra, lisansy ambaratonga faharoa, tsisy sarany, ary maneran-tany mba hampiantrano, hampiasa, hizara, hanova, handefa, hanao kopia, hanao na hampiseho eo imasom-bahoaka, handika, na hamorona sangan’asa nalaina avy amin’ny votoatinao (mifanaraka amin’ireo tefinao fitanan-tsiambaratelonao sy app). Midika, ohatra, izany hoe raha mizara sary iray amin’ny Facebook ianao, dia manome lalana anay hitahiry, hanao kopia, ary hizara azy amin’ny hafa (averina indray hoe mifanaraka amin’ireo tefinao) toy ireo Vokatra Meta na mpanolotra serivisy izay manohana ireo vokatra sy serivisy ireo. Hifarana io lisansy io rehefa voafafa tao amin’ireo rafitray ny votoatinao.
3. Famafana ny Votoatinao: Afaka mamafa votoaty samirery zarainao, apetakao, na ampiakarinao koa ianao amin’ny fotoana rehetra. Ho fanampin’izany, dia ho voafafa daholo ny votoaty napetakao eo amin’ny kaontinao manokana raha fafanao ny kaontinao. Fanazavana fanampiny momba ny fomba famafana ny kaontinao. Ny famafana kaonty dia tsy mamafa ho azy ny votoaty napetakao amin’ny maha admin na mpitantana pejy anao na ny votoaty noforoninao niaraka tamin’ny mpampiasa hafa, ohatra hoe sary ao amin’ny Rakitsary Iraisana izay mbola mety ho hitan’ny mpikambana hafa amin’ilay rakitsary.
Mety haharitra hatramin’ny 90 andro ny famafana ny votoaty aorian’ny anombohanay ny fikarakarana famafana kaonty na aorian’ny andraisanay fangatahana famafana votoaty. Raha halefanao any amin’ny fitoeram-pako ny votoaty, dia hanomboka ho azy ny fikarakarana famafana aorian’ny 30 andro raha tsy hoe mifidy ny hamafa azy alohan’izay angaha ianao. Mandritra ilay fikarakarana famafana ny votoaty toy izany, dia tsy ho hitan’ny mpampiasa hafa intsony ilay votoaty. Aorian’ny amafana ilay votoaty, dia mety haharitra hatramin’ny 90 andro fanampiny ny fanesoranay azy ao amin’ireo dikafiandry sy ao amin’ny rafitra fanavotana aorian’ny loza.
Ny votoaty dia tsy ho fafana ao anatin’ny 90 andro aorian’ny famafana kaonty na fanombohan’ny fikarakarana famafana votoaty amin’ireto toe-javatra manaraka ireto:
  • nampiasain’olon-kafa ny votoatinao, mifanaraka amin’ity lisansy ity, ary tsy nofafan’izy ireo ilay izy (amin’izay tranga izay dia hitohy hihatra foana ity lisansy ity mandra-pamafana ilay votoaty);
  • tsy mety ny famafana ao anatin’ny 90 andro noho ny fetra ara-tekinikan’ireo rafitray, ary amin’izay tranga izay dia hanao ilay famafana izahay raha vao azo atao araka ny lafiny tekinika izany; na
  • ny famafana eo no ho eo dia hametra ny fahafahanay:
    • manadihady na mahita fihetsika tsy ara-dalàna na fanitsakitsahana ny fepetra sy politikanay (ohatra hoe hahitana na hanadihadiana fampiasana vilana ireo Vokatray na rafitray);
    • miaro ny aroloza sy ny maha iray tsy mivaky ary ny fahalemanan’ireo Vokatray, rafitray, serivisinay, mpiasanay, ary mpampiasanay, ary miaro ny tenanay;
    • manoa adidy takin’ny lalàna momba ny fikajiana porofo, anisan’izany ny angondrakitra kajin’ireo Orinasa Meta mamatsy vokatra sy serivisy mba hanoavana ireo adidy fitehirizana rakitra takin’ny lalàna; na
    • manaiky ny fangatahan’ny manam-pahefana momba ny fitsarana na manam-pahefana mpiadidy, mpitandro filaminana, na masoivohom-panjakana;
amin’izany tranga izany, ilay votoaty dia tsy hotazonina mihoatra noho ny fotoana ilaina hanatratrarana ny tanjona kendrena amin’ny fihazonana azy (ho arakaraka ny tranga ny faharetan’izany fotoana izany)
Amin’ireo tranga rehetra eo ambony ireo, ity lisansy ity dia hitohy mandra-pamafana tanteraka ilay votoaty.
4. Fanomezandalana hampiasa ny anaranao, sary mombamombanao, ary ny fampahalalana momba ireo asanao amin’ny doka ary votoaty misy mpiantoka na ara-barotra: Manome lalana anay ianao hampiasa ny anaranao sy ny sarin’ny mombamombanao ary ny fampahalalanao momba ny fepetra noraisinao tamin’ny Facebook eo anilan’ireo na mifandray amin’ireo doka sy tolotra ary votoaty hafa misy mpiantoka na ara-barotra izay asehonay eran’ireo Vokatray ary tsy misy fanonerana ho anao. Ohatra amin’izany, mety hasehonay amin’ny namanao hoe liana amin’ny hetsika natao doka iray ianao na nanao tiako Pejy Facebook iray noforonin’ny marika iray izay nandoa vola taminay mba hampisehoana ny dokany ao amin’ny Facebook. Ny doka sy votoaty toy ity dia tsy hitan’ny olona afa-tsy ireo olona manana fanomezan-dalana avy aminao hahita ireo zavatra nataonao tamin’ireo Vokatra Meta. Afaka mamantatra bebe kokoa momba ny tefinao sy safidy aleonao momba ny doka ianao.
5. Fahazoandalana hanavao ny rindrambaiko ampiasainao na ampidininao: Raha mampidina na mampiasa ny rindrambaikonay ianao, dia manome lalana anay hampidina na hametraka fanavaozana ho an’ilay rindrambaiko raha misy izany.
3.4 Fetra amin’ny fampiasana ny fananana ara-tsainay
Raha mampiasa votoaty ao anatin’ireo zom-pananana ara-tsaina anananay sy azo sitrahina ao amin’ireo Vokatray ianao (ohatra hoe sary, famolavolana, horonantsary, na feo omenay izay ataonao amin’ny votoaty foroninao na zarainao amin’ny Facebook), dia hazoninay ho anay ny zo rehetra ho an’ilay votoaty (fa tsy anao). Ny hany azonao ampiasana ny zon’ny mpamorona anay na mari-barotray (na izay marika hafa mitovy) dia izay nahazoana lalana mazava tsara avy amin’ny Toromarika Fampiasana Marika anay na izay misy fahazoandalana an-tsoratra mialoha avy aminay. Tsy maintsy mahazo fahazoandalana an-tsoratra avy aminay ianao (na fahazoandalana araka ny lisansy loharano malalaka) vao afaka manova, mandika, mamorona sanganasa nalaina avy amin’ny, mandrasa, na mamerina manahaka ny famoronana ireo vokatray na ny singan’izy ireo na, ankoatra izay, manandrana manatsoaka kaody loharano avy aminay, raha tsy hoe angaha misy zavatra maningana na fetra mihatra araka ny lalàna manan-kery na ny fitondrantenanao mifandraika amin’ny Fandaharanasa Meta Bug Bounty. Mitazona ho anay ny zo rehetra tsy omena anao ankitsirano izahay.
4. Fepetra voalaza fanampiny
4.1 Fanavaozana ny Fepetranay
Miasa tsy tapaka izahay mba hanatsarana ireo serivisinay sy hamolavolana fiasa vaovao mba ho lasa tsara kokoa ho anao sy ny fiombonambenay ireo Vokatray. Vokatr’izany, dia mety mila manavao ireto Fepetra ireto izahay tsindraindray mba hanehoana am-pahamarinana ireo serivisinay sy ireo fanaonay mba hanandratana traikefa azo antoka sy voatandro fahalemana amin’ireo Vokatray sy serivisinay, ary/na mba hanoavana lalàna manan-kery. Tsy hanao fanovana izahay raha tsy hoe tsy mifanaraka amin’ny zavamisy intsony na tsy ampy ireo fepetra voalaza, ary raha tsy hoe araka ny antonony ho anao ireo fanovana ary mihevitra ny tombontsoanao, na ilaina ireo fanovana mba hisian’ny aroloza sy fahalemana, na hanarahana ny lalàna manan-kery.
Hilaza aminao izahay (ohatra: amin’ny alalan’ny mailaka na amin’ny alalan’ireo Vokatray) farafahatarany 30 andro alohan’ny hanisianay fanovana amin’ireto Fepetra ireto ary hanome anao fahafahana handinika azy ireo alohan’ny hampanan-kery azy ireo, raha tsy hoe angaha takin’ny lalàna ireo fanovana. Raha vao lasa manan-kery ireo Fepetra nohavaozina, dia hofehezin’izy ireo ianao raha manohy misitraka na mampiasa ireo Vokatray.
Manantena izahay fa hanohy hampiasa ireo Vokatray ianao, saingy raha tsy manaiky ireo Fepetranay nohavaozina na maniry hampitsahatra ny fankatoavanao ity fifanekena ity ianao, dia azonao atao ny mamafa ny kaontinao amin’ny fotoana rehetra ary tsy maintsy mampijanona ny fisitrahana na fampiasana Facebook sy ireo Vokatra Meta hafa ihany koa ianao.
4.2 Fampihantonana na famonoana kaonty
Tianay ho toerana ahafahan’ny olona mahatsapa ho voaray tsara sy ho voaro amin’ny fanehoana ny maha-izy azy sy ny fizarana ny eritreriny sy ny heviny ny Facebook.
Raha mamaritra izahay, miankina amin’ny fanapahankevitray, fa nanitsakitsaka mazava na mafy na imbetsaka ireo Fepetranay na ireo Politikanay ianao, indrindra fa ny Fenitry ny Fiombonambe, dia mety hampihantona na hamono tanteraka ny fisitrahanao ireo Vokatr’ireo Orinasa Meta izahay, ary mety hamono na hamafa tanteraka ny kaontinao izahay. Mety hamono na hamafa ny kaontinao koa izahay raha mamerimberina manitsakitsaka ny zo fizakam-pananana ara-tsain’ny olon-kafa ianao na raha asaina manao izany izahay noho ny antony araka ny lalàna.
Azonay atao ny mamono na mamafa ny kaontinao raha, aorian’ny fisoratana anarana, tsy nohamafisina ny kaontinao, tsy ampiasaina sy tsy amperinasa mandritra ny vanim-potoana maharitra ny kaontinao, na raha mahatsikaritra olona mety nampiasa azy tsy nisy fanomezan-dalana avy aminao izahay ary tsy afaka manamafy ny maha-tompon’ilay kaonty anao izahay. Mamantara bebe kokoa hoe ahoana ny fomba hamonoanay sy hamafanay kaonty.
Rehefa mandray fepetra ohatra izany izahay dia hampahafantatra anao ary hanazava aminao ny safidy azonao atao mba hangatahana fandinihana, raha tsy hoe angaha ny fanaovana izany mahatonga anay na ny hafa ho tompon’antoka araka ny lalàna, mahavoa ny fiombonamben’ny mpampiasanay; manimba ny na mitsabaka amin’ny maha iray tsy mivaky ny na asa aman-draharahan’ny iray amin’ireo serivisinay, rafitray na Vokatray; raha voafetra noho ny famerana ara-tekinika izahay; na rarana tsy hanao izany noho ny antony araka ny lalàna izahay.
Azonao atao ny mamantatra bebe kokoa momba izay azonao atao raha novonoina ny kaontinao ary hoe ahoana no hifandraisana aminay raha mieritreritra ianao fa fahadisoana no namonoanay ny kaontinao.
Raha toa ianao mamafa na izahay mamono na mamafa ny kaontinao, ary ajanonao ny fisitrahana na fampiasana Facebook sy ireo Vokatra Meta hafa, na raha ankoatra izay faranana ity fifanekena ity, dia tsy maintsy mifarana ny maha fifanekena eo aminay sy ianao ireto Fepetra ireto, afa-tsy ho an’ireto fepetra voalaza manaraka ireto, izay hijanona ho manan-kery: (3, 4.2-4.5).
4.3 Fetran’ny maha-tompon’antoka
Miasa mafy izahay mba hanalorana ireo Vokatra tsara indrindra araka izay azonao atao sy hanomezana toromarika mazava tsara amin’ny olon-drehetra mampiasa azy ireo. Ireo Vokatray, anefa, dia atolotra “toa io”, ary hatramin’ny fetra eken’ny lalàna, dia tsy manome antoka izahay fa ho voaro, ho tsara ambina, na tsy hisy fahadisoana, na handeha tsy hisy fahatapahana, fahatarana, na tsininy izy ireny. Hatramin’ny fetra eken’ny lalàna, izahay koa dia MANDÀ NY FANAOVANA ANTOKA REHETRA, NA MIHARIHARY NA ANKOLAKA, ANISAN’IZANY NY ANTOKA ANKOLAKA AMIN’NY FAHAZOA-MIVAROTRA, FETEZANA HO AN’NY FAMPIASANA IRAY MANOKANA, LOHATENY, NA TSY FANDIKAN-DALÀNA. Izahay dia tsy afaka mifehy na mibaiko izay lazaina na ataon’ny olona sy ny hafa, ary izahay dia tsy tompon’andraikitra amin’ny fihetsik’izy ireo na ny fitondrantenan’izy ireo (na an-jotra na tsy an-jotra) na ny votoaty zarain’izy ireo (anisan’izany ny votoaty manafintohina, tsy mendrika, mamoafady, tsy ara-dalàna, ary votoaty azo toherina hafa).
Izahay dia tsy afaka maminavina hoe oviana no mety hisy olana amin’ireo Vokatray. Araka izany, ny maha-tompon’antoka anay dia tokony ho voafetra hatreo amin’ny fetra eken’ny lalàna manan-kery. Hatramin’ny fetra eken’ny lalàna manan-kery, na inona na inona fisehoan-javatra dia tsy ho tompon’antoka hanefa aminao izahay amin’izay fahaverezana tombombarotra, fidirambola, fampahalalana, na angondrakitra, na fahavoazana miantraika, manokana, tsy mivantana, atao anatra, anasaziana, na mitranga vokatr’ireto na mifandraika amin’ireto Fepetra ireto na ireo Vokatra Meta (iniana natao anefa ary miorina amin’ny teôrian’ny maha-tompon’antoka, anisan’izany ny tandrevaka), na dia efa nampahafantarina anay aza fa mety hisy ny fahavoazana toy izany.
4.4 Fifandirana
Manandrana manome fitsipika mazava izahay mba hahafahanay mametra na, raha ny antenaina, misoroka fifandirana eo aminay sy ianao. Raha toa anefa ka misy fifandirana mipoitra, dia ilaina ny mahafantatra mialoha hoe aiza no azo andaminana azy ary inona avy ny lalàna mihatra.
Raha ianao no mpanjifa, na takin’ny lalàna manan-kery, ny lalànan’ilay firenena onenanao dia hihatra amin’izay fitakiana, anton’ny fitoriana, na fifandirana mampifanohitra anao aminay izay aterak’ireto na mifandraika amin’ireto Fepetra ireto na ireo Vokatra Meta, ary ianao dia afaka mamaha ny fitakianao any amin’izay fitsarana mahefa ao amin’ilay firenena izay manana fahefam-pitsarana amin’ilay fitakiana. Amin’ny tranga hafa rehetra, ary ho an’izay fitakiana, anton’ny fitoriana na fifandirana izay iampangan’i Meta anao, ianao sy Meta dia manaiky fa izay fitakiana, anton’ny fitoriana na fifandirana toy izany dia tsy maintsy vahana any Etazonia irery ihany. Fitsaram-paritry ny Distrika Avaratr’i Kalifornia na fitsaram-panjakana iray any amin’ny faritanin’i San Mateo. Manaiky koa ianao fa hanoa ny fahefam-pitsarana manokanan’ny iray amin’ireo fitsarana ireo ho an’ny tanjona famahana ara-pitsarana ny fitakiana toy izany, ary ekenao fa ny lalànan’ny Fanjakan’i Kalifornia no mifehy ireto Fepetra ireto sy izay fitakiana, anton’ny fitoriana, na fifandirana, tsy misy fanomezan-danja izay fifanoheran’ireo amin’ireo fepetra voalazan’ny lalàna. Tsy manova izay voalaza eo aloha, manaiky ianao fa, amin’ny fanapahankeviny irery ihany, Meta dia afaka mampiakatra izay fitakiana, anton’ny fitoriana, na fifandirana mampifanohitra azy aminao any amin’izay fitsarana mahefa any amin’ny firenena misy anao izay manana fahefam-pitsarana amin’izany fitakiana izany.
4.5 Samihafa
  1. Fepetra Fanampiny: Ny sasany amin’ireo Vokatra atolotray dia fehezin’ny fepetra fanampiny ihany koa. Raha mampiasa ny iray amin’ireny Vokatra ireny ianao, dia hatao azo sitrahina sy ho lasa anisan’ny fifanekenay aminao ireo fepetra fanampiny. Ohatra, raha misitraka na mampiasa ireo Vokatray ho an’ny tanjona ara-barotra na ara-pihariana ianao, ohatra hoe mividy doka, mivarotra vokatra, mamolavola app, mitantana vondrona na Pejy iray ho an’ny fiharianao, na mampiasa ny serivisy fandrefesanay, dia tsy maintsy manaiky ireo Fepetra Ara-barotray ianao. Raha mametaka na mizara votoaty misy mozika ianao, dia tsy maintsy manoa ireo Toromarikay momba ny Mozika. Raha mampiasa Avatar ianao, da mihatra ihany koa ny Fepetry ny Avatar. Raha mampiasa ireo vokatra sy fiasa AInay ianao, dia mihatra iahny koa ny Fepetry ny Meta AI. Raha toa ka misy fepetra fanampiny mifanohitra amin’ireo Fepetra ireo, dia ireo fepetra fanampiny no hifehy hatreo amin’ny fetran’ilay fifandirana.
  2. Fanakantsanana: Raha misy ampahany amin’ireto Fepetra ireto hita fa tsy azo ampiharina, ilay ampahany tsy azo ampiharina dia horaisina ho toy ny nasiam-panitsiana hatramin’ny fetra farafahakeliny ilaina mba hahatonga azy ho azo ampiharina, ary raha tsy mety atao azo ampiharina ilay izy dia hokantsanana ary ilay ampahany tavela no hijanona ho manan-kery sy miantraika tanteraka. Raha tsy vitanay ny mampanaja ireto Fepetra ireto, dia tsy midika fandaozana azy ireo izany. Izay fanitsiana na famoizana ireto Fepetra ireto dia tsy maintsy atao an-tsoratra sy soniavinay.
  3. Tsy Famindrana: Ianao dia tsy hamindra ny iray tsy ankanavaka amin’ireo zonao na adidinao araka ireto Fepetra ireto amin’olon-kafa, na iza na iza, raha tsy nahazo ny fankatoavanay.
  4. Mpifandray Mpandova: Afaka manendry olona (antsoina hoe mpifandray mpandova) iray ianao mba hitantana ny kaontinao raha havadika ho fahatsiarovana ilay izy. Raha mamelona io ao amin’ny tefinao ianao, dia ny mpifandray mpandovanao, na olona iray notondroinao anatin’ny didim-pananana manan-kery iray na taratasy ara-dalàna mitovy amin’izany milaza ny fanekenao mazava ny hamborahana ny votoatinao amin’io olona io raha misy fahafatesanao na tsy fahafahanao, no ho afaka hangataka famborahana voafetra ny fampahalalana avy amin’ny kaontinao aorian’ny amadihana azy ho fahatsiarovana.
  5. Fepetry ny Tsy Misy Mpisitraka Antoko Fahatelo. Ireto Fepetra ireto dia tsy manome zo fisitrahan’ny antoko fahatelo tsy ankanavaka. Ny zo sy adidy rehetra voalazan’ireto Fepetra ireto dia azonay afindra malalaka rehefa misy fitambaran’orinasa, fividianan’orinasa na fivarotam-pananana, na araka ny asan’ny lalàna na ankoatra izay.
  6. Fanovana Anaran’ny Mpampiasa: Azonay atao ny manova ny anara-mpampiasan’ny kaontinao amin’ny fisehoan-javatra sasany (ohatra hoe raha misy olon-kafa mitaky ilay anara-mpampiasa ary hita fa tsy mifandraika amin’ny anarana fampiasanao andavanandro ilay izy).
  7. Domberina: Ankasitrahanay foana ny domberina sy ny sosokevitra hafa avy aminao momba ireo Vokatray sy serivisinay. Kanefa mety hampiasa domberina sy sosokevitra hafa tsy misy famerana na adidy hanonitra aminao izahay, ary tsy manana adidy hitana azy ireny ho tsiambaratelo izahay.
5. Fepetra sy politika hafa mety hihatra aminao
  • Fenitry ny Fiombonambe: Ireto toromarika ireto dia manazava ny fenitray mahakasika ny votoaty apetakao amin’ny Facebook sy izay ataonao amin’ny Facebook ary Vokatra Meta hafa.
  • Fepetra Ara-barotra: Ireto fepetra ireto dia mihatra raha misitraka na mampiasa ny Vokatray ho an’ny tanjona ara-barotra na ara-pihariana ihany koa ianao, anisan’izany ny fanaovana dokambarotra, fandrindrana app amin’ny vovonanay, fampiasana ireo serivisy fandrefesanay, fitantanana vondrona na Pejy iray ho an’ny fihariana iray, na fivarotana entana sy serivisy.
  • Fepetra Fandoavan’ny Fiombonambe: Ireto fepetra ireto dia mihatra amin’ny fandoavana atao ao amin’ireo na amin’ny alalan’ireo Vokatra Meta.
  • Politikam-barotra: Ireto toromarika ireto dia manazava ny politika mihatra rehefa manolotra vokatra na serivisy hamidy amin’ny Facebook, Instagram ary WhatsApp ianao.
  • Toromarika Momba ny Hira: Ireto toromarika ireto dia manazava ny politika mihatra raha mametaka na mizara votoaty misy hira ianao amin’ireo Vokatra Meta rehetra.
  • Politikan-dokambarotra: Ireto politika ireto dia mihatra amin’ny mpiaramiombonantoka manao dokambarotra manerana ireo Vokatra Meta ary mamaritra mazava hoe inona ny karazana votoaty doka eken’ny mpiara- miombon’antoka manao dokambarotra manerana ireo Vokatra Meta.
  • Fepetra Fampiasana Doka Manompo Tena: Ireto fepetra ireto dia mihatra rehefa mampiasa interfasy fanaovana dokambarotra tsy ilana fanampian’olona ianao mba hamoronana, handrosoana, na hanaterana dokam-barotra na fihetsika na votoaty hafa ara-barotra na misy mpiantoka.
  • Politikan’ny Pejy, Vondrona ary Hetsika Facebook: Ireto toromarika ireto dia mihatra raha mamorona na mitantana Pejy, vondrona, na hetsika Facebook iray ianao, na raha mampiasa Facebook hifaneraserana na hitantanana fampanehoehoana iray ianao.
  • Politika Meta Platforms: Ireto fepetra ireto dia mihatra amin’ny fampiasana ny fitambarana API, SDK, fitaovana, plugin, kaody, teknolojia, votoaty ary serivisy mamela ny hafa hamolavola fiasa, haka angondrakitra avy amin’ireo Vokatra Meta ary hanome angondrakitra anay.
  • Fepetra Fandoavan’ny Mpamolavola: Ireto fepetra ireto dia mihatra amin’ny mpamolavola app izay mampiasa ny Facebook Pay.
  • Enti-manan’ny Marika Meta: Ireto toromarika ireto dia manazava ny politika mihatra amin’ny fampiasana ireo mari-barotra, logo ary sarin’efijery Meta.
  • Toromarika Momba ny Toro: Ny Toromarika Momba ny Toro Facebook sy ny Toromarika Momba ny Toro Instagram dia manazava ny fenitray momba ny fanoroana na tsy fanoroana votoaty.
  • Politika Momba ny Zavatra Mivantana: Ireto politika ireto dia mihatra amin’ny votoaty rehetra alefa amin’ny Facebook Live.
  • Fepetry ny Avatar: Ireo fepetra ireto dia mihatra amin’ny fampiasana ireo Avataranay sy ireo fiasa Avataranay, anisan’izany ireo fividianana sy fahazoana fitafiana Avatar ao amin’ny Magazain’avatar.
  • Fepetry ny Meta AI: Ireto fepetra ireto dia mifehy ny fampiasana ireo vokatra sy fiasa AI Mamokatray.